Mifamadika tanteraka ny rasa fa na hatramin’ny zandary aza dia sahin’ny dahalo tafihana ! Zandary iray miasa ao amin’ny Analakininina Malaimbandy tokoa mantsy no notafihan’ny dahalo mitam-piadiana tao amin’ny tanana antsoina hoe Manandaza, ny alatsinainy lasa teo. Sendran’ny tampoka tsy nahalehilahy ity farany no mbola tratry ny be noho ny vitsy ka tsy afa-nanoatra intsony. Naratra mafy vokatr’izay fanafihana nahazo azy ity mpitandro filaminana ity araka ny fampitam-baovao azo. Voatery nalaina tamin’ny angidimby tany an-toerana mihitsy moa ary nampakarina haingana aty an-dRenivohitra. Tonga omaly maraina tetsy Betongolo ary navantana avy hatrany teny amin’ny hopitaly miaramilan’i Soavinandriana. Tonga nitsena azy ity mahery fo ity moa ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny zandary notarihan’ny SEG. Marihana, fa efa zandary teo izao no lavo an-tanim-piadiana nandritra ireo fifandonana tamin’ireo olon-dratsy tamin’ity taona ity. Miisa efatra kosa ireo naratra teo am-panatanterahana ny asany.
m.L