Mitohy hatrany ny hazalambo ataon’ny zandary any amin’iny faritra Malaimbandy iny amin’ireo jiolahy mpaka an-keriny. Ny alarobia lasa teo dia roa tamin’ireto olon-dratsy ireto indray no tsy afa-manao ny asa ratsiny intsony, taorian’ny fifandonana tamin’ireo zandary avy ao Malaimbandy nampian’ireo avy any Toliara sy ireo vondron-kery manokana etsy Ivato. “Hita ny fieren’ny sasany tamin’ireo jiolahy mpaka an-keriny izay efa tafiditra am-ponja, dia tao amin’ny kizo iray atao hoe Andolo doara. Isan’izany ny lehilahy iray izay nifampitifitra tamin’ny zandary ka naratra ary namoy ny ainy noho izany ratra izany. Tsy fantatra kosa ny anaran’ilay jiolahy iray hafa lavo niaraka taminy saingy fantatra fotsiny hoe avyè any amin’ny kaominina Amborompotsy Ambatofinandrahana izy io” hoy ny fampitam-baovao. Fantatra anefa fa ambonin’ireo efa tratra sy ireo tsy afa-manohy izany asa ratsiny izany intsony dia mbola misy naman’izy ireo hafa karohina fatratra amin’izao fotoana izao. Araka izany dia mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny ezaka ataon’ireo zandary any an-toerana.
m.L