- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMalaimbandy : Lasa tanànan’ny kidnapping

Malaimbandy : Lasa tanànan’ny kidnapping

Misesy ary mampihorohoro ny olona ny fisian’ny fakàna an-keriny ao Malaimbandy ankehitriny. Tsy zava-baovao loatra izany satria lasa fanaon’ireo dahalo ny maka takalon’aina isaky ny manatontosa ny fanafihany izy ireo. Vao maraina, ny alarobia teo no nisy olona enina nalain’ireo olon-dratsy tao amin’ny kaominina roa samihafa dia Ampanitoka sy Mandrarano, raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Vao tamin’ny herinandro lasa teo koa anefa no nisesy ny fakàna an-keriny ary lasa fanao izay hahazoan’ireo dahalo vola vetivety izany. Mandry andriran’antsy ankehitriny ny mponina ao an-toerana satria tsy voatery ireo mpanam-bola ihany no hangalan’ny jiolahy vola avy amin’ny alàlan’ny kidnapping fa na olon-tsotra manana omby aza dia hiharan’izany koa. Ary tsy ao Malaimbandy ihany no lasa mahazo vahana ity karazana heloka bevava ity. Tany Morafenobe dia nifampitifitra ny dahalo izay naka an-keriny raim-pianakaviana iray sy ny andrimasom-pokonolona. Tamin’ity tranga ity dia nentina niala ny tranony ary noterena hanondro an’ireo jiolahy ny misy ny valabe feno omby ilay rangahy. Mba nisy olona nahavita nampandre ny andrimasom-pokonolona anefa ary ireo no nanao ny fanarahan-dia izay misy ireo olon-dratsy.  Rehefa nifanehatra ireo dia nifampitifitra avy hatrany. Nisy iray tamin’ny dahalo no lavo ary nisy naratra koa tamin’ireo fokonolona nanara-dia. Raha ny vaovao azo dia mbola tsy votsotra ilay rangahy na dia teo aza ny ezaka rehetra nataon’ny olona. Mitohy ihany ny fanarahan-dia ary efa misy mpitandro ny filaminana izay manampy ny olona amin’izany. Dia toa izany isan’andro sy isan’alina no iainan’ny olona any amin’ny faritra misy omby.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici