Eo anatrehan’ny trangana fakàna an-keriny izay manao sesilany any amin’iny faritra Malambandy iny, izay marihana fa malagasy no lasibatra ao anatin’izany, dia manao ny ainy tsy ho zavatra ireto zandary any an-toerana miezaka mamongotra izany. Ny voalohandohan’ny herinandro teo dia jiolahy roa, izay fantatra fa isan’ireo mpaka an-keriny tany amin’iny faritra iny no voasambotr’ireto mpitandro filaminana ireto. « Noho ny fitohizan’ny hetsika atao hiadivana amin’ny fakana an-keriny any an-toerana, izay efa nahatafidirana am-ponja olona maromaro, tamin’ny desambra 2017 sy janoary 2018 teo dia saron’ny zandarimariam-pirenena, izay notarihin’ny Chef d’escadron Doloseny, iraka avy any amin’ny Tobim-paritry ny zandary ao Toliary handrindra io hetsika io, raha nanandrakandrana niverina nody an-trano tamin’ny alina, teo an-tampon-tananan’i Malaimbandy ny iray tamin’ireo isan’ny tena mpitarika io fikambanan-jiolahy io sy nanao vava ny tsy matahotra na iza na iza » hoy ny fampitam-baovao azo. Araka ny fantatra dia nahitàna karam-panondro miisa roa samy hafa, fa amin’ny anarany tany aminy, niampy ireo ody gasy maromaro fentin’ity farany manao ny asa ratsiny. Tamin’io andro io ihany dia jiolahy iray, izay iray tarika amin’ity farany ihany koa no voasambotry ny fokonolona tao Andaombato, ao amin’ny fokontany Androtsy ka naterina avy hatrany tany amin’iny tobin’ny zandary. Tsy mijanona hatreo moa ny ezaka fa mbola mitohy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy naman’izy ireto. Amin’izay lafiny izay dia miantso tanteraka fiaraha-miasa amin’ireo fokonolona sy mponina any an-toerana ireto mpitandro filaminana ireto, hiadiana amin’ity asa ratsy ity. Raha ny mikasika azy roa lahy ireto kosa dia fantatra fa hatolotra ny Fampanoavana tsy ela aorian’ny famotorana.
m.L