Olona enina no indray notorian’ny Ben’ny tananan’ny Malaimbady teny anivon’ny fampanoavana ao Morondava. Dimy kosa ny antony hitoriany azy dia ny fikasàna hikomy, ny famoriam-bahoaka tsy nahazoana alàlana, ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, ny fikasàna hanao fitsaram-bahoaka ary ny fanalam-baràka tsy amin’antony. Izany no nataony dia noho ny fisian’ny famorian’olona izay nolazainy ho mpikarama an’ady ny ankamaroany. Ireo dia nampiasaina ny mba hanidy ny kaominina ary efa fantany, raha araka ny filazany ny mpanarama ireo. Nametrahana fitoriana miaraka ireo olona enina izay misy olom-boafidy ao anatiny. Amin’ny mpanara-baovao dia vaky tanteraka ny ady eo amin’ny samy olon’ny HVM ao an-toerana. Samy olom-boafidy rahateo izy roa lahy ireo ary lasa mifandramatra tanteraka ary mibaribary tsy takona afenina izany satria mandeha amin’ny haino aman-jery. Ny ben’ny tanàna dia voatery niala tao an-toerana mihitsy nanomboka ny desambra lasa teo noho ny filazany fa misy fifofoana ny ainy ary koa fandrahonana ho faty mianjady aminy. Isan’ny misintona ny lakolosin’ny mpitantana io antoko pôlitika misy azy io ny tenany mba hanao fanelanelanana faran’izay haingana satria mandoto ny sarin’ny antoko izany. Nolazainy koa fa manana porofo izy ary nozarainy tamin’ny tambajotran-tserasera rahateo aza izany, ny amin’ny mpanakarama ireo olona mba hanakorontana ny biraon’ny kaominina tamin’ity roa herinandro lasa teo. Isan’ny hita ao anatin’ny raki-tsary ny fisian’ny fiara tsy mataho-dàlana V8 teo akaikin’ireo olona nitabataba. Fiara izay fantany tsara ny tompony. Nampiasainy ho porofo ara-pitsarana koa izany. Vaky ny ady eo amin’ny samy HVM…
D.R