- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversMalaimbandy : Renim-pianakaviana sy ny zanany kely nalain’ny jiolahy an-keriny

Malaimbandy : Renim-pianakaviana sy ny zanany kely nalain’ny jiolahy an-keriny

Efa tsy ny omby intsony izao no fantatra fa alain’ny dahalo any amin’iny faritra Menabe iny, indrindra fa ny ao Malaimbandy, fa efa ny olona mihitsy. Toy ny fanaon’ireo mpaka an-keriny aty an-drenivohitra dia mitaky volabe ireo olon-dratsy ho tambin’ny famotsorana ireo olona lasa takalon’aina. Efa maromaro ihany izay tranga izay, ary ny vao haingana indrindra dia ity niseho ny faran’ny herinandro lasa teo. Renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany lahy kely no lasan’ireo olon-dratsy. Araka ny tati-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia manodidina ny 10 teo ho eo ireo olon-dratsy ary samy nitondra basim-borona sy zava-maranitra, tonga nanafika tao amin’ny tananan’i Bezezika, ao Malaimbandy. Raha ny fantatra hatrany dia mitaky teo amin’ny efatra tapitrisa ariary tamin’ireo havany ireto olon-dratsy ireto. Teo no ho eo ihany moa dia nisy ny fampandrenesana ny zandary tany an-toerana ary natao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana azy mianaka ireto. Ny faran’ny taona teo anefa no nisy nampandre ireo mpanao fikarohana fa efa tafaverina soa aman-tsara tao an-tanana izy mianaka ireto, rehefa nisy ny fifampiraharahana nataon’ny havany tamin’ireo olon-dratsy. “Nangataka vola Ar 4,000,000 ireo jiolahy raha ny re saingy Ar 1,400,000 ihany no azony rehefa nanao ady varotra ireo havany. Salama tsara izy mianaka ireo” hoy ny vaovao. Na izany aza anefa dia tsy nijanona teo ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra. “Manohy ny fikaroham-baovao hatrany kosa ny zandary hanenjehana ireo jiolahy ireo eo anatrehan’ny lalàna na dia efa tafaverina aza ireo nalaina an-keriny ireo”.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici