Nandritra ny dian’ireo iraka manokana nalefan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena tany amin’iny faritra iny dia naneho ny ambom-pony ireo vahoaka any amin’ny faritra Menabe (Malaimbandy sy Miandrivazo) fa vonona hanome tanana ny Zandarimariam-pirenena hiady sy hanao hazalambo ireo dahalo. Ny faran’ny herinandro teo no nidina ifotony ny Jeneraly Rakotoarison Anthony avy amin’ny Foibem-pibaikoana ny Zandarimaria sy ny Kolonely Itibar Ottman, avy ao amin’ny Sekreteram-panjakana nihaona tamin’ireo ankolafin-kery rehetra, izay nahitana ireo mpitondra fanjakana notarihan’ny Lehiben’ny faritra sy ny Solombavam-bahoaka ary ireo fitondram-piaraha-monina misy any an-toerana.
Nafana ny ady hevitra nentina nandrafitra ireo paikady iarahana hanenjehana ireo dahalo any amin’ny faritra iny. Nandritra izany no nanehoan’ireo vahoaka sy ny mpitondra fanjakana ny ambom-pon’izy ireo naneho fahavononana miaraka amin’ny zandary hiady sy handresy ireo dahalo. Ireo nitarika ny delegasiona kosa dia nanamafy hatrany ireo drafitra sy tetika fametrahana ny fiarovan-tena isan-tanàna « Auto-défense villageoise » any an-toerana, izay paikady tsotra nefa mahomby mba ahafahana manara-maso ny isan-tanàna amin’ny fivezivezen’ireo dahalo. Mba hanamora ny fiaraha-miasa dia nisy ny fanomezana ireo laharana azo antsoina raha misy trangana tsy fandriampahalemana miseho na trangana kolikoly ataon’ny zandary mandritra ny fanatanterahana ny asany, dia ny 03414.013 88, 034 14 006 85, 034 14 014 82 ho an’ny ady amin’ny kolikoly ary ny 034 14 005 23, 033 11 801 03, ary laharana maitso 119 raha misy trangana tsy fandriam-pahalemana . Tsy nisalasala ireo solon-tena nandray fitenenana fa mahavelom-bolo izao hetsika ataon’ny Zandarimaria izao satria na dia mbola tsy foana tanteraka aza ny asan-dahalo dia efa nihena ambany dia ambany ny tahan’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana, ka mangataka ny fitondram-panjakana izy ireo ny hanohizana izany hatrany mandra-paharesy tosika ireo dahalo hatramin’ny farany.
T.M.