- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMalaimbandy : Votsotra ilay mpandraharaha nalain’ny jiolahy an-keriny

Malaimbandy : Votsotra ilay mpandraharaha nalain’ny jiolahy an-keriny

Telo andro katroka no nitazoman’ireo mpaka an-keriny an’ity mpandraharaha iray tany amin’iny kaominina Malaimbandy iny. Fantatra koa amin’izao, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena fa votsotra ary avotra soa aman-tsara ny lehilahy taorian’ny famonjena nataon’ireto mpitandro filaminana ireto.

Nividy kisoa. Tao amin’izany toerana antsoina hoe Andohambato, ao amin’ny fokontany Tambazo, no nitazoman’ireo olon-dratsy azy, nandritra io andro maromaro io. « Tsiahivina fa andro vitsivitsy izay dia nosakanan’andian-jiolahy teny an-dàlam-podiana avy nividy kisoa ny lehilahy iray, tany amin’ny 30km atsinanan’i Malaimbandy ka nitakian’izy ireo vola 10 tapitrisa ariary tamin’ny havany ho takalon’ny ainy », hoy ny vaovao. Nisy avy hatrany ny fandrasaina andraikitra nataon’ireo zandary teo anivon’ny kaompania Morondava sy ny Fign taty Antananarivo, raha vao nitranga fotsiny ilay fakàna an-keriny. Taorian’izay dia fantatra fa nisy fifandonana teo amin’ny ampahany tamin’ireo olon-dratsy izay nahalavo ny iray tamin’izy ireo.

Finday. Nandritra io fifandonana io ihany koa no nahazoana finday iray, izay fampiasan’ireo olon-dratsy maty. Taorian’io fotoana io no dia tsy  nitaky vola intsony ireo olon-dratsy fa ny hamerenena ilay finday sisa no fitakiana nataon’izy ireo, hoy hatrany ny fanazavàna azo. Marihana mantsy fa ity finday ity dia loharanom-baovao iray hafa ahafahana mamantatra ny mombamomba ireo olon-dratsy hafa namany sy ny toerana misy azy ireo, hanamora ny fisamborana. « Tao anatin’izany dia nanatona tsikelikely hanodidina ny toerana ahiana hieren’ireto jiolahy ireto ireo vondrona zandary voalaza ireo mba hanafaka ilay nalaina an-keriny. Tsikaritr’izy ireo anefa izany vao avy lavidavitra ka vaky nandositra izy ireo ary tafaporitsaka tao anatin’izany ilay lehilahy babony ». Efa vokatra lehibe ho an’ireto mpitandro filaminana ireto ny nahavotsotra ilay lehilahy azo an-keriny, izay salama vatana tsara. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireto mpaka an-keriny tafatsoaka hatramin’izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici