- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMalaimbandy : Zaza 14 taona nalain’ny dahalo an-keriny

Malaimbandy : Zaza 14 taona nalain’ny dahalo an-keriny

Tato anatin’ny fotoana vitsivitsy izay, dia nirongatra tanteraka ny fakàna an-keriny ataon’ny dahalo tany amin’iny faritra Malaimbandy iny. Ny faran’ny herinandro lasa teo, ankizy vao 14 taona monja no lasibatr’izay fakàna an-keriny izay. Nisy avy hatrany anefa ny fandraisana  andraikitra nataon’ny zandary ka avotra soa aman-tsara ity zaza ity. Raha ny zava-nitranga, tao amin’ity tananan’i Soatanimbary, ao amin’ny fokontany Ankerika ity,  « dahalo am-polony nitondra basim-borona no tonga vao maraina tao an-toerana naka io zaza io ka  nianatsimo ny diàn’izy ireo avy teo. Niantso haingana ny  zandary ny mponina no sady efa nanara-dia ka nidina avy hatrany nanao ny fanarahan-dia nifanampy tamin’ny mponina sy nanao ny fanakanana ireo jiolahy ireo ny avy ao amin’ny Groupement Menabe sy ireo mpanao “opérations” notarihina manamboninahitra » hoy ny fampitam-baovao avy amin’iny zandary. Haingam-piasa tokoa anefa tamin’ity indray mitoraka ity ireo mpitandro filaminana ka vetivety dia tratra ary voahodidina ireo dahalo mpaka an-keriny ireto. Ka hany herin’izy ireo dia namotsotra an’ilay zaza, ary « tsy nisy fotoana nangatahana vola « rançon » akory izy ireo » hoy ireo zandary. Tafaporitsaka kosa ireo andian-dahalo, saingy mbola « mitohy kosa ny fikarohana ny olon-dratsy ireo izay efa fantatra ny ankamaroany ». Raha ny fanazavana , dia mbola mitohy hatrany ny ezaka amin’ny ady amin’ity asa ratsy izay nahazo vahana tany an-toerana ity ataon’ireo zandary. «Maro ireo efa any am-ponja, toa izany koa ireo efa tsy atahorana hanao ny asa ratsiny intsony, kanefa mbola mikasa hanandrakandrana ny hanohy izany ihany ireo namany sisa mbola misitrika sy efa karohana. Tsy afaka anefa izy ireo noho ny fifampitokisan’ny zandary sy ny mponina ka maharava ny paik’adiny ara-potoana »

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici