Araka ny fantatra dia mipetra-drery teny Malaza Ampitatafika teny ity tovovavy 22 taona ity ka ny anabavin-drainy no tonga nampnadre ny zandary ny 24 Aprily lasa teo rehefa nahita fa tsy nody an-trano ity farany. Tsy nitsahatra teo fa efa nisy ihany koa filazana ny tsy fahitana ity vehivavy ity teny amin’ny tambanjotran-tserasera. Ny 2 may teo anefa dia nahazo antso an-telefaonina avy amin’olona tsy fantatra ilay anabavin-dray. Nilaza ilay mpiantso fa any Mahitsy ilay tovovavy ka mila vola hatao saran-dalana. Tsy maintsy halefa M/vola izany ka laharana 038 29 112 95 no laharana finday nanaovana ilay antso. Nandefa izany vola izany tokoa ilay Ramatoa na dia tsy fantany aza ny tompon’io laharana io. Tsy mbola niverina tao an-trano anefa ilay zazavavy ka natao avy hatrany fikarohana ny tompon’io nomerao finday io ny zandary. Ny 11 may dia fantatra fa lehilahy iray atao hoe Manoa, izay 22 taona ihany koa ary mnina eny Malaza Ampitatafika no tompony ary ilay finday nampiasaina dia an’ilay tovovavy voalaza fa very. Natao ny fikarohana ka voasambotra I Manoa ary mbola tratra teny aminy ilay telefaonina voalza etsy ambony. Nandritra ny fanadihadiana azy dia nilaza izy fa efa maty namono tena tamin’ny fihinana asidra ny 19 aprily ity tovovavy karohina ity. Nambarany ihany koa fa ny 20 Aprily izy no nalevina ary ao ambany lavarangan’ny tranon’olona iray eny Malaza no nanitrihana ny razana. Rehefa nandre izany ny mpanao famontorana dia nidina tany amin’ilay toerana sy trano voalaza niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB Faliarivo hanao ny fitsirihana, ny 12 may ihany. Nohadiana ny tao ambany lavaragana ka indro hita tao tokoa ny vatana mangatsiakan’ilay tovovavy izay nifono lambam-pandriana sy norakofana gonin-tsaribao. Nandritra ny fizahana nataon’ny dokotera no nahitana fa potika ny lohan’ilay niharam-boina ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa mpisakaiza ihany ity tovovy ity sy ilay tovolahy atao hoe Manoa. Mitohy ny fanadihadiana.
T.M.