Iray andro taorian’ny nitazomana azy dia efa afaka teo am-pelantànan’ny mpaka an-keriny I Malik Karmaly, tale jeneralin’ny orinasa Habibo. Tetsy Ambohibao izy no navotsotr’ireo jiolahy, tokony ho teo anelanelan’ny tamin’ny fito ora sy sasany ka hatramin’ny valo ora latsaka, ny alin’ny alahady teo. Raha ny fihevitra azy dia nokendrena tamin’ny fotoana izay niomankoman’ny olona hijery ny haino aman-jery nasionaly izay nandefa ny adihevitry ny kandidà roa mpifaninana ho filoham-pirenena, ny fotoana namotsorana ity karàna ity. Amin’izay mantsy dia tsy hisy hahatsikaritra firy izany satria samy variana tao an-tokantranony ny mponina. Velona aina soa aman-tsara I Malik Karmaly raha araka ny fanamarihan’ny fikambanan’ny teratany Indiana izay mizaka ny zom-pirenena frantsay. Tsy fantara kosa anefa izay mety ho nifanaraha tao ambadika, izany hoe ny teti-bola naloan’ny fianakaviany mba ho famotsorana azy. Momba ilay toniziana izay niaraka tamin’i Malik kosa dia tsy mbola votsotra izy omaly, tamin’ny fotoana nanoratana, ary tsy nahazoam-baovao rahateo ny momba azy. Toy ny mahazatra dia tsy nisy ny fitoriana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ary tsy nisy ihany koa ny fanazavàna avy amin’ny voakasika. Raha ny fantatra dia olona nalaina hiasa ary vao haingana eo anivon’ny orinasa Habibo ilay teratany Toniziana. Niaraka tamin’ny tale jeneraliny izany izy io nisy naka an-keriny io. Nandeha be ny feo fa zandary ireo mpiambina ilay karàna izay niaraka taminy tao anatin’ny fiarany tamin’ny fotoana nitrangan’ny fakàna an-keriny. Nolavin’ny sampan-draharahan’ny serasera eo anivon’ny zandarimaria izany ary notsipihan’izy ireo fa sivily izy efa-dahy ireo. Izy ireo dia nasaina nandohalika tamin’ny tany nandritra ny kidnapping izay natao tamin’ny mpampiasa azy ireo. Voaresaka hatrany ny kidnapping ankehitriny. Toa ny omaly, nandritra ny fankalazàna ny faha-70 taonan’ny nankatoavana ny zon’olombelona. Kidnapping sy asan-dahalo ary ny fanafihana eny amin’ny lalam-pirenena no isan’ny manamarika ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika ka notsipihan’ny tompon’andraiktra.
D.R