- Publicité SW45 -
lundi, septembre 9, 2024
AccueilFaits-DiversMampikony : Ben’ny tanàna nigadra : migrevy ny mpitsabo

Mampikony : Ben’ny tanàna nigadra : migrevy ny mpitsabo

Nisy ny fitokonana nataon’ny mpitsabo tao Mampikony, taorian’ny nampidirana am-ponja ny naman’izy ireo iray. Io farany dia Ben’ny tanàna raha tsiahivina kely. Voarohirohy tamin’ny raharaha vono sy ratra izay nitarika fahafatesana izy, tranga izay niseho ny 2 aprily lasa teo. Mpitsabo ihany koa izy ka izay no nitarika ny namany nanao fihetsiketsehana mitaky ny hamoahana azy. Hita teny amin’ny sora-baventy nolanjain’ireo ny hoe mitady ny marina sy ny rariny. Nisy ny fiaraha-midinika izay notaritin’ny talem-pahasalamana ao amin’ny faritra niaraka tamin’ny DAGT sy ny  mpitandro ny filaminana, ny solombavambahoaka, ary mazava ho azy ny solontenan’ny mpitsabo. Na teo aza anefa izany dia nanapa-kevitry nanohy ny fitokonana ihany ireo dokotera ho amin’ny anio. Fitokonana fanairana no iantsoan’izy ireo an’izany, ary haharitra 48 ora. Marina fa misy ny firaisan-kina eo anivon’ny vondrona saingy mipetraka kosa ny fanontaniana hoe adala ve izany ny fitsarana nampiditra vonjimaika  am-ponja ilay ben’ny tanàna raha tsy nisy ny porofo azo nitazonana azy? Ankoatra izay koa, ny olon-tsotra izany no hizaka ny tsy fahafaliam-pon’ny mpitsabo, izay manao fitokonana. Moa  va tsy karazan’ny hoe atao takalon’aina izany ny olon-tsotra mba hamoahana ilay Ben’ny Tanàna? Raha tsiahivina, mahakasika hatrany ity raharaha ity, dia nisy ny baiko navoakan’ny minisitera mpiahy izay nanala vonjimaika tsy ho Ben’ny tanàna intsony ilay iray izay voarohirohy.  Ny fianakavian’ny maty dia manamafy hatrany, momba ity raharaha ity, fa tsy hihemotra velively amin’ny fitoriany, eny fa na dia eo aza, raha araka ny filazan’izy ireo, ny fikasan’ny andaniny ny handravona ny raharaha ara-bola sy ara-pombafomba. “Tsy hamelanay hatramin’ny farany ity raharaha ity satria manana ny maty izahay ary indrindra koa endrika fanambaniana ny fikasihan-tànana azy”, hoy izy ireo.  Mbola ho lava, araka izany, ity raharaha iray any Mampikony izay manomboka manaitra ny fanjakana foibe, izay nandefa ny solontenany tany an-toerana avy hatrany mba handravona ny raharaha…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser