- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMampikony : Dahalo maty voatifitra, basy « kalach » iray sarona

Mampikony : Dahalo maty voatifitra, basy « kalach » iray sarona

Nisehoana fanafihan-dahalo maherivaika tao amin’ny tananan’i Zaman’i Jao, ao amin’ny fokontany Miadanasoa, kaominina Bekoratsaka, any amin’ny distrika Mampikony ny herinandro lasa teo. Dahalo niisa sivy no fantatra fa nanafika tamin’izany ary nitondra basy « kalach » izy ireo. Omby am-polony maro no lasa tamin’izany. Niroso avy hatrany tamin’ny fanarahan-dia ireo fokonolona tany an-toerana, niaraka tamin’ny zandary, izay nandray ny andraikiny avy hatrany. Tany aminn’ny tanàna Marokoro, ao amin’ny fokontany Analabe, kaominina Mampikony II no nifankatratra ireo dahalo sy ny mpanara-dia, ary velona teo ny fifanjevoana sy ny fifandonana. Vokany, dahalo iray, izay isan’ny nitana ilay basy « kalach » no lavon’ny balan’ireo mpitandro filaminana. Teo anatrehan’izany dia vaky nandositra ireo namany hafa, namela ireo omby avy nangalarin’izy ireo sy ny basin’ity namany voatifitra ity. « Nosokafana ny famotorana satria fantatra ilay dahalo namoy ny ainy ary mitohy ny fikarohana ireo namany.   Ny fiaraha-miasa sy ny fifanampiana ary indrindra ny filazana mialoha rehefa misy tranga toa izao dia zava-dehibe ho an’ny fandriampahalemana, koa entanina ny mpiray tanindrazana rehetra mba hiroso bebe kokoa amin’ny fiaraha-miasa dia ny fanomezam-baovao na farafaharatsiny hilaza ara-potoana rehefa misy fahamehana. » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimarim-pirenena. Marihana fa mbola nisy ambina bala telo tany amin’ity dahalo maty voatifitra ity. Efa naverina amin’ny tompony avokoa moa ireo omby azo ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici