Tsy nampihemotra velively ireo fokonolona mpanara-dia, ny basy teny an-tanan’ireto dahalo. Raikitra ny fifandonana, ny voalohan’ny herinandro teo, ka dahalo roa no maty, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mampikony faharoa.
Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy halatr’omby nampiahiahy tsy lavitra an’Ampamakiambato, izay voatsikaritra ireo fokonolona teo am-pisafoana kizo (toerana fitondràn’ireo dahalo ny omby halatra). Dian’omby mampiahiahy no hita teo, hoy hatrany ny vaovao azo. Nampandrenesina avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana sy ireo fokonolona manodidina ary rafitra teo any fanarahan-dia. Fotoana taorian’io tokoa dia nifanena tamina dahalo efa-dahy, izay mirongo fiadiana ireo fokonolona mpanara-dia. Tsy nampihemotra velively ireto farany ny fisiana basy teny am-pelan-tanan’ireo malaso. Eny fa na dia ireto farany ihany koa aza dia tsy nisalasala velively mihitsy nampiasa izany fitaovam-piadiana izany, nentin’izy ireo nanoherana ireto mpanara-dia. Raikitra teo ny fifanjevoana. Tsy nahaleo fokonolona leo tsy fandriampahalemana teto ireto dahalo. Ambon’izay, sendra ny be noho ny vitsy ihany izy ireo. Roa tamin’ireo olon-dratsy no maty voafira antsy ary nanao tsoa-pe nitsoaka kosa ireo roa lahy ambiny. Tavela teo moa ireo omby avy nangalarin’izy ireo ary nogiazana, miandry izay tena tompon’izy ireo. Tetsy andanin’izay kosa, nanohy ny fikarohana ireto olon-dratsy tafatsoaka ireo mpitandro filaminana any an-toerana ary nisy ny fanadihadiana nosokafan’izy ireo tamin’izany.
Nangonin’i m.L