Miverin-dàlana tanteraka raha oharina amin’ny fandrosoana tokony ho izy. Noho ny tsy fisian’ny herinaratra matetika na koa noho ny delestazy lavareny dia lasa mitady vahaolana hafa ny olona mba hamahanana ny finday. Dia lasa bizna mety, indrindra ho an’ireny mampiasa « panneau solaire » ireny ny famahanana finday amin’ny herinaratra. Lasa ilaharana izany satria betsaka ny tinady. Miainga amin’ny 1000 ariary raha finday tsotsotra. Tonga hatramin’ny avo roa heny amin’izany raha vao miakatra android izay elaela kokoa ny famahanana azy. Izany no ianan’ny maro ao amin’io tanàna io ary dia lasa voatery manomana vola hafa mihitsy izany raha te-hampiasa finday. Olana tanteraka eto amin’ny nosy ankehitriny ity resaka fahatapahan-jiro lavareny ity. Tsy izany ihany aza fa mbola manampy trotraka koa ny tsy fisian-drano, mifampiankina ireo singa roa ireo : mila herinaratra vao afaka tonga any antokan-tranon’ny tsirairay ny rano. Ho an’ny eto an-drenivohitra dia efa mba nakipin’ny maro ihany ny maso amin’ny fahatapahan-jiro. Saingy kosa manomboka mitroatra ny olona amin’ny kartie maromaro noho ny tsy fisian-drano efa nandritra ny fotoana ela. Ny farany indrindra amin’izany dia ny tetsy Anjanahary afak’omaly alina. Voatery nampidinina teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana mba handrava ny fitangoronan’ny olona. Efa nisy toa izany koa tetsy Alasora ary tsy maintsy nitadiavam-bahaolana haingana satria tena nafana fo ny olona. Torak’izany koa ny tetsy Andravoahangy, roa andro lasa izay. Miitatra toa ny sima misioka ity tsy fisian-drano ity ary manomboka tsy tàna ny olona maneho ny alahelony eny an-dalambe, indraindray manapa-dàlana na koa mandrehitra kodiarana. Ny any amin’ny faritra indray dia ny tsy fisian-jiro no tena mampikaikaika. Miandrandra vahaolana hatrany ny vahoaka.
D.R