Ny alahady lasa teo, nisy vono olona nahatsiravina, tany amin’ny tanàna antsoina hoe Morafeno, kaominina Bekoratsaka any Mampikomy. Lehilahy 64 taona no maty vokatry ny kapa famaky nataon’ny jiolahy azy. Voa teo amin’ny lohany ilay olona. Nipotsaka ny atidohany ary maty tsy tra-drano izy. Ny loharanom-baovao no nahalalana, fa vao tafiditra ireo olon-dratsy, avy hatrany dia namely ilay lahy antitra. Nasainy namoaka ny vola tao an-trano. Nisy nahare izany zavatra izany, ka tonga ny olona nanavotra ilay lehilahy. Efa vatana tsy nisy aina intsony anefa no hita. Teo no ho eo ihany, dia nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana. Noho ny fahalavirana, dia efa somary tara vao tonga ireto farany. Ireo mpamono olona efa lasa lavitra, hoy hatrany ny vaovao. Fantatra moa fa raha vao maty ilay olona, dia norobain’ireo mpangalatra ny tao an-trano. Ny fanadihadiana no hahalalana ny zavatra lasan’izy ireo.
nangonin’i r.s.