- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversMampikony : Lehilahy voasambotra, nanatsatoka antsy mpiara-manao daomy

Mampikony : Lehilahy voasambotra, nanatsatoka antsy mpiara-manao daomy

Lehilahy iray nosamborin’ny polisy fa nandratra ny namany mpiara milalao daomy taminy tao amin’ny fokontany Tsararivo, kaominina ambonivohitra Mampikony, ny 25 aprily lasa teo. Raha hiverenana ny zava-nitranga dia olona miisa 3 izy ireo no niaraka nilalao daomy tamin’io fotoana io. Nisy tsy fifankazaoana anefa teo amin’izy ireo nandritra izany. Nisy ny fifamaliana ary tsy nahatsindry fo ilay lehilahy ka namoaka ny antsy tany aminy ary nanatsatoka izany tamin’ireo namany. Vokany, samy naratra teo amin’ny tanany avokoa ireo niara-nilaolao taminy izay vehivavy ny iray.  Tonga avy hatrany nijery ny zava-nisy moa ny Polisy avy ao amin’ny Komisaria Mampikony rehefa naharay antso momba ny raharaha ka nitondra ilay nahavanon-doza tany amin’ny biraon’ny Komisaria.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici