- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversMampikony : Mpandraharaha voatafika, lasa ny vola 10 tapitrisa Ar 

Mampikony : Mpandraharaha voatafika, lasa ny vola 10 tapitrisa Ar 

Mirongatra ny fanafihana mitam-basy any amin’ny distrikan’i Mampikony, ka mandry tsy lavo loha ny mponina. Trano iray tao amin’ny fokontany Antsangabitsika, kaominina ambanivohitr’i Betaramahamay, no notafihana sivy mianadahy (vehivavy ny iray) nirongo basy, ny alin’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Raha vao tafiditra an-tanàna ireo dahalo dia nanao tifi-danitra, ka ny telo tamin’ireo jiolahy niditra avy hatrany tamina tokantranona mpandraharaha tompona toeram-pivarotana lehibe iray. Nandritra ny fotoana nitrangan’ny fanafihana, dia tsy tao an-tranony ity mpandraharaha, fa ramatoa vadiny novantanin’ireo dahalo tao, ka novonoin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny alalan’ny toto vodim-basy. Rehefa tsy nahatsiaro tena ilay renim-pianakavina, dia norobain’ny jiolahy ny volamena teny aminy. Lasan’ireo dahalo nandritra ity fanafihana ity ihany koa lelavolam-barotra mitentina telo tapitrisa Ariary mahery. Ary noraofin’ireo mpanani-bohitra avokoa ny entana sarobidy rehetra zakan’izy ireo tao an-trano, toy ny « lecteur vidéo », fanamafisam-peo, . . . , hatramin’ny akoho amam-borona. Noho ny tahotra ny vavam-basy dia tsy nisy sahy nanavotra ny fokonolona teo amin’ny manodidina, ary tsy sahy nanao ny fanarahan-dia ihany koa. Talohan’ny nialan’ireo malaso ny tanàna rehefa nahazo ny remby notadiaviny, dia nodoran’ireo tsy mataho-tody ity trano vao avy notafihany. Hatramin’izao, raha ny tati-baovao voaray farany, dia mbola traboina tsy manan-kialofana ny tompon-trano.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici