Izy irery no nahazo fahafahana vonjimaika tanatin’ireo olona izay nosamborina, ka naiditra am-ponja rehefa voarohirohy ho namono olona. Herinandro izay no nanomboka niverina niriaria tao Mampikony ny ben’ny tanàna no sady mpitsabo, izay nosamborina tany Antsohihy nandritra ny fanahian’ny fitsarana azy ho nitsoaka nefa mbola misy raharaha mahakasika azy. Manoloana an’izany dia nanapakevitra ny fianakavian’ny maty ny hametraka fitarainana eny anivon’ny birao misahana ny ady amin’ny kolikoly. Amin’izy ireo mantsy dia mamofona an’izany ity raharaha ity. “Tsy ekana raha lalaovina ny ain’olona, ny ain’ny havanay” hoy izy ireo. Miangavy ihany koa ireo fianakaviana ny mba hampitsaharana amin’ny asany ny olona voarohirohy. Raha ny henonay mantsy dia mbola handray anjara fitenena amin’ny hetsika iray izay karakarain’ny fanjakana izy io. Dia eken’ny fitondrana ve izany?, hoy hatrany ireo fianakaviana mametra-panontaniana.
D.R