Tsy mifaditrovana. Rehefa tsy voan’ny balan’izy ireo ireto jamà efa-dahy dia ny zava-maranitra sy ny pilotra indray no nampiasain’ireo andian-dahalo. Maty tsy tra-drano voan’ny pilotra izy efa-dahy ary norasarasain’ireo olon-dratsy nony avy eo.
Efa lian-drà tanteraka ny dahalo ary tsy mamela mahazo mihitsy an’izay azony eo ambany fahefany. Toy izany ity zava-nitranga tany amin’ireo tanana vitsivitsy eo anelanelan’ny distrika Mampikony sy Andilamena ity. Nitrangana fanafihan-dahalo mantsy tao amin’ny tanan’i Bepatso, Ambalavelona ary Ambalahasy tamin’ity herinandro ity. Araka ny fampitam-baovao dia manodidina ny dimampolo lahy teo ho eo ireo olon-dratsy ary nirongo basy mahery vaika sy zava-maranitra isan-karazany. Omby maromaro no lasa tamin’io fotoana io. Taorian’ny fanafihana dia nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona sy ny andrimasom-pokonolona fantatra amin’ny anarana hoe Jamà niisa efatra. Ireo farany, noho izy efa zatra ady dia somary nandeha mafimafy kokoa noho ireo fokonolona hany ka nahatratra ireo dahalo teo Tampoketsa. Rehefa raikitra teo ny fifandonana teo amin’ny roa tonga dia, nitsahatra tsy nitifitra intsony tampoka teo ireo dahalo. Novinavinain’ireo mpanenjika fa lany bala angamba ka dia nipoitra tamin’ny fiafenany izy ireo. Tamin’izay indrindra anefa no nohararaotan’ireo olon-dratsy nikendry azy ireo tamin’ny alalan’ny pilotra. Voan’ny vato ary naratra sy lavo iretsy jamà. Nohenjihan’ireo olon-dratsy notaperiny tanteraka ny ainy, tamin’ny alalan’ny firasarasana azy ireo tamin’ireo zava-maranitra teny am-pelantanany. Efa nampandresina mahakasika ity trangana habibiana miharo fangalarana ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana. Mbola mitohy kosa ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ataon’ireo fokonolona izay nampian’ny mpitandro filaminana any an-toerana. Marihana, araka ny angom-baovao azo fa tsy mbola nisy azo ireo omby aman-jatony lasan’ireto andian-dahalo ireto.
m.L