- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversMampikony : Taolam-paty hita tao an-trano

Mampikony : Taolam-paty hita tao an-trano

Tompon-trano iray  no nahatsikaritra zavatra hafahafa tamin’ireto telo lahy nanofa ny tranony. Ny 19 martsa lasa teo no nitondra gony niditra tao an-tanàna . Mahimahina ily rangahy tompon-trano ka nampandre ny zandary tao an-tanàna. Raha vao nahare izany ireto farany dia niomana ny hanao fisavana ny trano. Natao ary ny fisavana ka tratra tao ny taolom-paty telo gony, ka tao aorian’ny fanadihadiana natao no nahafantaran fa avy tamin’ny fasana efa novakiana tamin’ny 10 desambra 2013 ireo taolana ireo, ary natoron’izy ireo hatramin’ny fasana nakan’izy ireo izany.

Nampanantsoina moa ireo tompm-pasana ka nanaiky tokoa ny fisian’ny fahavakisana ary eo an-dalana ny hamerenana izany taolam-balo izany ny any an-toerana. Ireto mpangalatra taolana kosa dia mamita ny fanadihadiana atao azy ary dia hatolotra ny fitsarana.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser