- Publicité -
mercredi, août 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMampikony : Tovolahy hita faty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, notapahina ny lohany,...

Mampikony : Tovolahy hita faty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, notapahina ny lohany, noborina filahiany

Trangam-piarahamonina nampihoron-koditra ny maronahita no niseho tany Kaominina ambanivohitra Bekoratsaka, Distrikan’i Mampikony, Faritra Sofia, afak’omaly naraina. Tovolahy iray no hita faty niboridana tsy nisy loha (notapahin-doha) sy filahiana. Rehefa avy nofatoran’ny/ireo tsy mataho-tody tamin’ny tady ny tongotr’ity tovolahy ity, dia notetitetehany tamin’ny antsibe ny vatany, ka nahitana dian’antsy teo amin’ny lamosiny havanana, nokapainy ny tongony roa sy ny kihon-tànany, ary notapahiny ny lohany. Nesorin’ireo namono azy ihany koa ny filahiany izay hita natsipy tsy lavitra ny toerana nahitana ny razana. Hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra, dia tsy mbola hay ny tany niavian’ity tovolahy hita faty tsy fantatra havana ity. Raha ny fanazavana azo avy tamin ‘olom-boafidy iray, nampitany vaovao taminay, tao anatin’ny iraytaona izao, dia matetika isehoana vono olona mahatsiravina toy izao foana ao amin’ity Kaomininaity, ka anaovan’ny vahoaka antsoavo amin’ireo tompon’andraiki-panjakana mahefa.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici