Manoloana ny firongatry ny fanafihan-jiolahy nitam-piadiana maherivaika nahazo vahana tato ho ato, any amin’ny Distrikan’i Mampikony, dia manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra ireo mponina mihorohoro fatratra, mba hijery vahaolana haingana, satria saika any anaty ala avokoa ireo zaza amam-behivavy no matory amin’ny alina.
Afak’omaly alina, sahabo tokony ho tamin’ny sivy ora mahery kely, nidiran’ny dahalo nitam-basy tao amin’ny Fokontany Soberaka, any amin’ny Kaominina ambonivohitry Ambohipoky. Rehefa tafiditra tao an-tanàna ireo mpanafika, dia nirarankopana ny tifi-danitra nentina nampihorohoroana ny mponina, ary samy nanao izay hoafany nitsoaka tany anaty ala ny olona, ka niliba ireo jiolahy namaky tranombarotra iray rehefa tsy tao an-tranony intsony ny tompon-trano. Araka ny tati-baovao voaray, dia lelavola efatra hetsy ariary niampy kojakoja maro lafo vidy no lasan’ireo mpandroba, ary nodoran’ireo tsy mataho-tody avokoa avy eo ny entana rehetra tsy zakan’izy ireo tao amin’ity toeram-pivarotana ity, ka may kila forehitra niaraka tamin’ny trano. Raha ny voalazan’ny lasibatra, dia mitentim-bidy hatramin’ny roa tapitrisa ariary mahery ny fatiantoka manoloana an’izao faharavana izao, ary efa manao ny fikarohana an’ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana.
Eric Manitrisa