- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMampikony : Voatora-bato ireo taxi-brousse mandalo, maro ireo mpandeha naratra

Mampikony : Voatora-bato ireo taxi-brousse mandalo, maro ireo mpandeha naratra

Taxi-brousse maromaro, handeha hiakatra aty an-drenivohitra sy hianavaratra iny, ka voatery mandalo ny tanan’i Mampikony no lasibatra, vokatr’ilay savorovoro tao an-toerana omaly sy afak’omaly. Raha ny fitantaran’ireo mpandeha dia tora-bato variraraka no miantefa eny amin’izy ireo, indrindra fa ireo izay voatery nijanona na mandeha mora. Mpandeha maromaro no naratra vokatr’izay tora-bato izay, manginy fotsiny ny fitaratr’ireo fiara vaky, raha ny fampitam-baovao. Ho an’ireo tsy afa-miala fa tsy maintsy mandalo ny tanàna tao anatin’ireny sakoroka ireny, hoy ny filazan’ny mpitatitra sasantsany dia tsy maintsy mandeha mafy, hialàna amin’ilay tora-bato avy amin’ireo andian’olona. Nataon’ireo mpitatitra fotsiny araka izany ny hialàna ny tanàna vao mamonjy ireo naratra izy ireo. Fa raha ny mikasika ity sakoroka niseho tany Mampikony ity, dia fantatra fa omaly hariva vao azo lazaina fa nilamina ny tanàna, raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Savorovo izay nandratràna olona sy nahasimba fananan’olona maromaro dia maro, vokatry ny resaka fitakiana hanao fitsaram-bahoaka. Efa nisy ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ary efa maro ihany ireo mpitandro filaminana nalefa tany an-toerana. Tsiahivina fa efa nihatra hatramin’ny alahady hariva teo, araka ny fanampahan-kevitr’ireo tompon’andraikitra, ny « couvre-feu » na tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, ho fitandroana ny filaminana. Raha ny mikasika ireo naratra kosa, izay fantatra fa miisa dimy hatreto dia efa nalefa notsaboina any Mahajanga.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici