Tsy main-tany tsy fahavaratra ny fisian’ny fahatapan-jiro sy rano, aty amin’ny renivohim-paritra Betsiboka, izay tsy ahitana vahaolana mihintsy an-kehitriny. Efa mitady hampiteny ny maona ny zava-misy hiainan’ny mponina aty an-toerana, amin’ity jiro sy rano tapatapaka lava ity no tsy misy filazana fanapahana sy ny tena olana misy ny tompon’andraikitra Jirama sy ny First Energy eto Maevatanàna an-tampon-tanàna. Rehefa nandalo fotoan-tsarotra ny vahoaka tamin’ny main-tany lasa teo iny, amin’ny fahatapan-drano sy ny jiro dia mihaina amin’ny fahavoazana indray, amin’izao vanim-potoana vahavaratra izao. Manomboka mandeha ny jiro amin’ny valo ora maraina dia tapaka amin’ny efatra ora hariva, miverina amin’ny fito ora hariva dia tapaka indray amin’ny roa ora maraina. Ny rano moa efa tsy horesahina intsony, satria izay tian’ireo hatao no tsy misy ora voatokana. Tsy hita ihany koa ny fandraisana an-drakitra, ataon’ireo olona milaza ho tompon’andraikim-panjkana, fa tahakan’ny manam-bekibo izany fotsiny.
Ratantely