- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMamy Basta : Hamoaka rakikira Mamahoaka

Mamy Basta : Hamoaka rakikira Mamahoaka

Isan’ny hetsika ara kolo-tsaina nampiavaka ny faritra Vakinankaratra ny festival mamahoaka izay midika hoe mamory vahoaka.  Sehatra iray manome ny lanja ireo mpanakanto nentim-paharazana  sy manasongadina ireo mpanakanto avy eto amin’ny faritra vakinankaratra ny mamahoaka ary saika hahitana mpanakanto vahiny hatrany mandray anjara. Efa taona maro anefa no nihato ity festival mamahoaka ity noho ny antony maro tsy azo hanoarana hoy Mamy Basta izay  angady nanana sy vy nahitana ity festival ity.

Ny festival no nihato fa ny sangan’asan’ny mpanakanto kosa mipetraka hatrany. Fantatra izao fa hamoaka rarikira ny mpanakanto Mamy Basta,  nampitondrainy ny anarana Mamahoaka. Ho fahatsiaroana ny festival mamahoaka no antony iray namoahana ity rakikira vaovao ity. Kapila mangirana roa no anaty Album, Audio ny iray raha toa ka misy sary  kosa ny iray hafa. Hisy ny fampisehoana maimaim-poana hotanterahin’I Mamy Basta ny faha 2 desambra 2022 ho avy izao hamoahana ny Album Mamahoaka amin’ny fomba ofisialy izay hatao ao amin’ny Alliance Française Antsirabe manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva.

Raha ny fanazavan’I Mamy Basta dia ny taona 2020 no tokony namoahana ity Album ity satria isan’ireo mpanakanto voatsonga tamin’ny mpanakanto 30 manerana izao tontolo izao i Mamy Basta nandritra ny IOMMA “ Indian Ocean, Music Market ” na tsenan’ny mozika natao tao amin’ny Nosy La Réunion. Ankoatra ny famohana ny rarikira dia tokony nisy ny fitetezana firenena maro saingy noho fisian’ny valan’aretina covid 19 dia tsy tanteraka izany saingy ny Album kosa no izao vita izao.

Ny gadona tandonaka no notrandrahan’I Mamy Basta naha voafidy azy nandritra ny IOMMA ka io no noraketina anaty Album. Karazana mozika nampifangaroana tamin’ny vazo ankehitriny, izany hoe mampiasa fitaovana sy zava maneno maro, ary miharo amin’ny mozikan’izao tontolo izao ihany koa amin’ny fampiasa zava maneno akostika.

Mahakasika ny festival Mamahoaka kosa dia nambaran’I Mamy Basta fa homena ireo tanora indray ny sehatra amin’ny fikarakarana ary antenaina fa hisy ny fiverenan’ity festival mamahoaka ity.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici