- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversManakambahiny : Môtô niala lavaka, nifatratra teny amin’ny taxibe, olona iray naratra...

Manakambahiny : Môtô niala lavaka, nifatratra teny amin’ny taxibe, olona iray naratra mafy

Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato teto an-drenivohitra, noho ny hamaroan’ireo lavaka mameno ny araben’Antananarivo. Omaly hariva, mpitondra môtô iray no naratra mafy ka voatery nalefa teny amin’ny toeram-pitsaboana, rehefa avy nifatratra tamina taxibe iray teny amin’iny faritra Manakambahiny iny. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, dia maromaro ihany ireo lavaka be anaty lalana eny an-toerana. Niezaka niala ireo lavaka ireo ity môtô ity, izay somary nandeha mafy ihany. Tsy nahatana ny familiana intsony anefa rehefa latsaka tao anaty lavaka ny kodiarany, ka dia niafara teny amina taxibe iray teny an-toerana. Mafy dia mafy ny fifandonana, satria nisavoana ambony ambany mihitsy ity mpitondra môtô ity, raha ny vaovao voaray hatrany. Tafajanona ihany koa ilay fiara, fa raha tsy izany mety ho voahosy tao ambany kodiarana tao ilay tovolahy. Na izany aza, voa mafy ihany ity farany. Nifamonjena ary nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana avy hatrany izy avy eo. Fa mbola omaly ihany, teny amin’iny faritra Anosy iny indray, fiara kely iray no nifandona tamina taxibe, noho io fialana lavaka io hatrany. Dimy mianaka no tao anatin’io fiara kely, izay mba samy tsy nisy naninona, araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Samy nahitana fahasimbana avokoa anefa ireo fiara nifandona ireo. Tsy misy tsy mitaraina tokoa ireo mpampiasa làlana rehetra eto an-drenivohitra amin’ity resaka fahasimban-dalana efa hita mihoa-pampana loatra eto an-drenivohitra ity. Asa loatra re, miandry inona ireo tompon’andraikitra vao mba hijery izany. Raha hoe hiandry ny fahataperan’ny fotoam-pahavaratra dia azo inoana fa hivadika lalan-tany atsy ho atsy ireo arabe eto an-drenivohitra raha izao no mitohy. Fa mandram-piandry ny fahatsapan-tenan’ireo tompon’andraikitra, tokony samy hitandrina ireo mpampiasa lalana, hisorohana ny loza mety hitranga toa izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser