- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversManakambahiny : Moto nifandona tamin’ny kamiao, maty ny mpanamory  

Manakambahiny : Moto nifandona tamin’ny kamiao, maty ny mpanamory  

Mafy ny fahavoazana ary na noezahina nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana aza mba nialàna nenina ilay lehilahy dia tsy tàna intsony ny ainy. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina, hiakatra hamonjy an’Ambanidia ilay kamiao kely raha mifanohitra amin’izany kosa ny làlan’ilay moto.  Tsy mifanalavitra ny oniversite Aceem, teo amin’ny somary fiolanana no nitranga ny loza. Raha araka ny fanazavan’ny mponina eny an-toerana dia nifatratra teo amin’ny fitaratr’ilay fiara lehibe mihitsy ny lohan’ny mpanamory moto. Midika izany fa mafy ny fifandonana ary tafapitika mihitsy io farany vokatr’izany. Teo ihany dia efa tsy nihetsika intsony izy. Na izany aza anefa dia mbola nisy fanantenana ny olona amin’ny hanavotana ny ainy ary nentina faran’izy maika teny amin’ny toeram-pitsaboana, tao amin’ny hopitaly Hjra. Nentina tao amin’ny sampana fameloman’aina ary vita ny fialana nenina rehetra, tsy tafaverina intsony ny ainy. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao fijerena ifotony mba hanokafana fanadihadiana. Iny alina iny dia notazomina teny amin’ny paositry ny polisy ny mpamily ilay kamiao mba hohainoina sy hanaovana fanadihadiana, noho ny fisian’ny olona maty avy amin’ilay lozam-pifamoivoizana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici