Niditra avy any amin’ny lamosiny ny bala ary nivoaka teny amin’ny tratrany. Tifitra akaiky dia akaiky
Omaly maraina tokony ho tany amin’ny 9 ora latsaka fahefany tany, nisehoana fitifirana olona teny amin’ny faritra Manakambahiny. Vehivavy iray mpiasan’ny hopitaly Befelatanana handeha hamonjy ny asany no maty voatifitra tamin’izany. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tamin’io ora io, nisy olona niresaka taminy sady nanao vava be. Niakatra araka izany ny feo. Tampoka teo, namoaka basy ilay lehilahy. Manginy fotsiny, hoy ireo nahita ny fandehan-javatra, ny teny mahery. Tsy dia fantatra aloha ny tena antony. Farany, hoy hatrany ny vaovao, toa hoe nifona ilay vehivavy. Toa tsy nahoan’ilay lehilahy anefa izany. Avy hatrany dia notofiriny ilay ramatoa. Niditra tao an-damosiny ny bala ary nivoaka taty aloha. Izany hoe akaiky dia akaiky. Maty tsy tra-drano ilay vehivavy. Raha vao nahavita izany ilay nitifitra dia lasa nandeha nandositra tamin’ny moto nentiny. Maro ny resaka re mikasika ity zavatra ity. Marihina fa mpiasa ao amin’ny hopitaly Befelatanana ao amin’ny “Service des admissions” ilay vehivavy maty voatifitra io. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia nisy ny nilaza fa msiy rohim-pihavanana ireto olona roa ireto, ilay nitifitra, sy ilay voatifitra. Efa any amin’ny tranom-paty eny amin’ny HJRA ny razana, omaly. Misokatra ny fanadihadiana atoan’ny mpitandro filaminana. Raha ny fandehan-javatra no zohiana dia karazana endrika valifaty ity famonoana ity.
r.s.