- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversManakambahiny : Telo lahy nikasa hanao kolikoly tamin’ny zandary amin’ny vola roa hetsy...

Manakambahiny : Telo lahy nikasa hanao kolikoly tamin’ny zandary amin’ny vola roa hetsy ariary

Telo lahy mianaka no voatery notazomina natao andrimaso sy nanokafana fanadihadiana rehefa nikasa ny hanolotra vola roa hetsy ariary tamin’ireo zandary, ho tambin’ny famotsorana ny havan’izy ireo voatazona noho ny resaka halatra omby. Zava-nitranga tao Manankambahiny, distrikan’Ambatondrazaka. Izany tokoa ny hoe mamo miantso zandary ! Nihevitra mantsy ireo olona telo mianaka, lehilahy roa niaraka tamin’ny raiamandrenibe iray, fa ho vita mora foana ny fifanarahana amin’ireo mpitandro filaminana mahakasika ny havan’izy ireo voatazona eny amin’ny birao. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy olona roa lahy voarohirohy tamin’ny resaka halatra omby tany amin’iny faritra Alaotra iny nosamborin’ireo zandary avy ao amin’ny zanatobim-paritra ao Manankambahiny. Rehefa tsy maintsy notazomina natao andrimaso teny amin’ny birao ireto dia indro fa nisy olona tonga, ireo telo mianaka, tao amin’ny tobin’ny zandary, hitady ny lehiben’ity toby ity. Nivantana avy hatrany moa ny resak’izy ireo dia ny mba hamotsorana ireo roa lahy voatazona ao amin’ireo mpitandro filaminana ireo. Mazava ho azy fa niaraka tamin’ny ravim-bola roa alina ariary miisa folo izy ireo tamin’izany, voalaza fa atao sandan’ny famotosarana ireo havany.  Nolavin’ny Komandin’ny Toby Manakambahiny izany, nefa dia mbola niezaka ihany ireo telo lahy nandresy lahatra sy nandraviravy vola maro. Voatery nandray fepetra, araka izany, ireo mpitandro filaminana, ka nampihatra ny lalàna velona amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nosokafana ny famotorana mikasika ny kolikoly, notanana natao andrimaso ireo telo lahy mianaka, nogiazana ireo lelavola natao porofo, hoy ny vaovao. Natolotra avy hatrany ny Fampanoavana izy ireto ka nadoboka am-ponja avy hatrany. Averina matetika etoana fa ny kolikoly dia fahavalom-pirenena, koa ny Zandarimariam-pirenena dia tsy hanaiky horaviraviana amin’izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici