Vehivavy iray monina any amin’ny fokontany Manakambahiny, kaominina Brieville, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna, amin’ny ilany atsimo, no nalain’ny dahalo an-keriny ny faramparan’ny herinandro teo. Dahalo am-polony nitondra basy mahery vaika sy zava-maranitra no nirohotra nanatanteraka ny asa ratsiny. Vantany vao tonga tao amin’ny tanàna voalaza etsy ambony izy ireo, dia niditra amboletra tamin’ilay tokantrano hovinaina hanaovana fakana an-keriny.Tsy niandry ela fa nentin-dry zalahy avy hatrany ny tompon-trano. Nandritra izany no nandray ny andraikiny ny zandary tany an-toerana raha vao nahafantatra ny zava-nisy. Efa lasa lavitra ny jiolahy kanjo variana nifamaly teny an-dalana, ary tafaporitsaka tampoka ny olona nalaina an-keriny, rehefa nahatazana ny fihetsika nataon’ ireto farany. Nalaky ihany koa ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana ka taitra ny dahalo raha nahita ireo mpanara-dia sy ny olona nalaina an-keriny efa tsy hita teo am-pelatanana intsony. Nirifatra nitari-dositra ihany koa ny olon-dratsy taorian’izay. Ny angom-baovao ihany moa nahalalana, fa efa naterin’ny zandary ao amin’ny tanàna nisehoan’ny fakana an-keriny ilay vehivavy, salama tsy nisy naratra. Hatreto dia mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo malaso nanao ny asa- ratsy.
Ratantely