Ny iray, mpitandro filaminana nandrasa ny vadiny tamin’ny antsy, tany Manakara. Ny iray lehilahy manana aretin-tsaina, nanapa-doha ny vadiny bevohoka ary niezaka namono tena nony avy eo. Tranga tany Ambilobe tany.
Ny andron’ny sabotsy 14 febroary lasa teo, nitrangan’ny herisetra sy vono mahatsiravina tao Manakara, izay nitranga tao amin’ny biraon’ny zandary tany an-toerana mihitsy. Araka ny angom-baovao azo dia zandary miasa ao ihany no nahavita ny heloka tamin’io fotoana io. « Mbola ao anaty fanadihadiana tanteraka izahay amin’izao mahakasika ity raharaha ity. Ary tsy misy ny azo ambara aloha. Saingy tianay ny manamarika fa na iza na iza manao heloka dia tsy maintsy hampiharina aminy ny lalàna velona », hoy ny fanazavan’ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandary Fitovinany, azo an-tariby omaly. Raha araka ny nambaran’ity manamboninahitra ambony ity dia adin’ny mpivady no nahatonga izany herisetra sy vono izany. Naratra mafy moa ilay vehivavy voalaza fa voarasarasa ary efa nentina nihazo tobim-pahasalamana avy hatrany.
Zava-doza toraka izay ihany koa no nitranga tao Andranomafana, kaominina Betsiaka, distrikan’Ambilobe, ny andron’ny sabotsy teo hatrany. Lehilahy iray no nahavita namono nahafaty ny vadiny. Somary manana aretin-tsaina kely io lehilahy io, hoy ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambilobe. Tsy fantatra izay zava-nisy fa izy io nanapa-doha ny vadiny io. Ity vehivavy ity, izay fantatra fa nitondra vohoka fito volana. Tsy vitan’izay anefa fa noezahiny notatahana tamin’ny antsy ihany koa ny tenany saingy tsy maty. Niezaka nitsoaka ny lehilahy taorian’izay rehefa nifanenjehan’ny fokonolona. Ary noho ny tahotra dia nitolo-tena avy hatrany teny anivon’ny zandary. Nentina notsaboina avy hatrany taorian’izay, saingy efa somary atahorana ihany ny ainy, hoy ny vaovao. Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana any an-toerana moa ny raharaha amin’ny fanadihadiana.
m.L




