Lehilahy iray avy nandroba sy nangalatra tamina tranombarotra iray ampitan’ny garan-damasinina Fce Manakara, no maty tsy tra-drano latsaka avy teny amin’ny rihana voalohany, afak’omaly tokony ho tamin’ny telo ora maraina no nisehon’ny tranga. Rehefa nosavain’ny mpitandro filaminana ny fatin’ity jiolahy maty am-perinasa ity, dia nahitana basy P.A niaraka tamin’ny bala fito sy lelavola an-tapitrisany, ary ny anarana nisoratra hita tamin’ny kara-panondrony, dia Rafenitra Norbert, izay avy any Antsirabe. Nihanika ny rihana voalohany tao amin’ ity tranombarotra ity ilay olon-dratsy, ka rehefa azony avokoa ny zavatra nalainy tao, dia niverina nidina izy, nibolisatra tampoka kay latsaka avy teny ambony, ary maty teo noho eo sady mangana be ny tarehiny noho ny hamafin’ny fianjerana.
Eric Manitrisa