Lehilahy manodidina ny 30 taona indray no hitan’ny fokonolona nitsirara manakaiky ny “Stade municipal” any Manakara omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany ho any. Tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ity olona ity ho faty far aha ny tombantombana dia nisy namono ity farany satria nahitàna ratra ny faritra sasany amin’ny vatany. Efa tonga teny teny an-toerana nanao ny “constat” sy ny fanadihadiana ny teo anivon’ny Polisim-pirenena any Manakara. Rah any fahitana ity lehilahy ity dia mety ny alin’ny Talata teo ano nahafaty azy fa ny toerana sy ny fomba namonoana azy, kosa no tsy fantatra hatreto na teo ihany na tsia. Efa eo am-pelatanan’ny tomponandraikitra ny raharaha ary efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mikasika ity tranga famonoan’olona ity.
Niony H.