Raim-pianakaviana iray namono nahafaty ny vadiny no matin’ny fitsaram-bahoaka nifandritahan’ny fokonolona tao Ambahibe, distrikan’i Manakara, ny sabotsy hariva teo, tokony ho tamin’ny 5 ora. Noho ny disadisa tao an-tokantrano teo amin’izy mivady no indray namoizan’izy roa ny ainy tao anatin’ny iray andro monja. Raha ny vaovao voaray dia raikitra ny ady tao an-trano teo amin’ireto mpivady tamin’io andro io. Tezitra rangahy ary tsy nahatana ny fony intsony fa avy hatrany dia nanampatra ny heriny tamin’ny daroka mahery vaika an’ ilay andefomandriny. Ity farany izay tsy nanohitra azy mihitsy ary potraka tsy nahatsiaro tena tamin’ny tany ary teo noho eo ihany dia tapitra tanteraka ny ainy. Romotra ny manodidina raha vao nahita izany. Efa nahare ny adin’izy mivady ireo farany saingy tsy niditra raha tsy efa afaka ny ain’ilay ramatoa. Nosamborin’ny olona ilay rangahy ary rehefa tratrany dia nanamparany ny vono sy daroka ihany koa ary tsy namelany hatramin’ny farany raha tsy maty.
Eric Manitrisa