- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Lehilahy tra-tehaka nangalatra lavanila manta, saika nodoran’olona velona

Manakara : Lehilahy tra-tehaka nangalatra lavanila manta, saika nodoran’olona velona

Mirongatra ny halatra lavanila manta eny an-tsaha amin’ny tapany Andrefan’ny Distrikan’i Manakara iny (faritra Ambahive), indrindra fa ny ao amin’ny Kaominina ambanivohitry Lokomby sy Betraka, ka velon-taraina mafy ireo tantsaha mpamboly. Raha ny tati-baovao voaray, dia noho ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny tsy fisiam-bola ary ny fahantrana, no voalaza fa antony mampanjeky ny halatra. Omaly naraina, lehilahy iray sahabo ho 35 taona eo, no tra-tehaka ambodiomby nangalatra lavanila maitso tamina sahan-davanila iray, tao Bekatra. Rehefa voasambotra ka nofatorana tongotra aman-tanana ity mpangalatra, dia saika nodoran’olona velona, nefa nandrara izany fitsaram-bahoaka fihetsika mamohetra izany ny mpitondra ara-drazana teo an-tanàna. Taorian’izay, rehefa nilamina sy tony ny toe-draharaha, dia nantsoina ny mpitandro filaminana naka an’ity dahalon-davanila, ary nitondra an’ity farany tany amin’ny toby natao famotorana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici