Tsy mifidy sokajy ny fampirafesana ankehitriny fa samy manao avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy, ary lasa toy ny kilalaon-jaza izany ankehitriny ho an’ny sasany, satria tsy mahafehy tena amin’ny fananana ny vady ao an-tokantrano fa mbola mitady hafa. Ny alahady hariva teo, tany Ambila Manakara, lehilahy iray manodidina ny 35 taona eo no bory filahiana, ary hoditra kely sisa nitazona an’ ilay fitaovam-pananahany. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana, dia tratran-drangahy tompom-bady (izay avy nijery baolina kitra) niray sy nangala-pitia tamin’ny vadiny ity rafilahiny. Rehefa tratra ity mpangala-badin’olona dia izy indray no avo vava, ka romotra ny tompom-bady sady niantso ny havany, ka raikitra ny sakoroka sy ady saritaka, ary tsy namelan-drangahy tompom-bady mihitsy ilay lehilahy sipan-dramatoa efa voafatotra raha tsy nodidiany ny filahiany. Niharan’ny vono sy daroka kosa ilay ramatoa nanitsakitsa-badiny ka naratra mafy nivoa-drà.
Eric Manitrisa