Lehilahy iray tsy salama saina izay mpitarika posy teo aloha, antsoina hoe : Bien Aimé, no namoy ny ainy rehefa avy nandrahoina tao anaty vilany be fandrahoana hanin-kisoa, afak’omaly, tao amin’ny Fokontany Mangarivotra « carreaux 12 ». Raha ny vaovao voaray, dia nahiahiana lehilahy iray voalaza fa mamon-drongony, ho saika hangalatra ny « panneau solaire »-ny ity rangahy adala mpirenireny mpitsimpona zaoridira, izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity. Rehefa voasambotra i Bien Aimé dia nofatorana, ary natao tao anaty vilany be nisy rano mangotraka, ka nitsovaka avokoa ny hodiny. Tsy tantin’ity lehilahy marary saina ity ny fampijaliana natao azy, ka niantso vonjy nitaraina mafy izy. Henon’ny manodidina izany, ka nirohotra ny olona nijery ny zava-misy, ary novonjena haingana ity nolazaina fa mpangalatra efa nalemilemy. Vokatry ny fahamaizana anefa, dia tsy tana ny ainy. Raha vao nahita an’ity habibiana tsy roa aman-tany ity ny olona dia romotry ny hatezerana. Noho ny tahotra ny fitsaram-bahoaka, dia nitsoaka avy hatrany ilay mpamono sy ny fianakaviany, izay mbola karohina fatratra amin’izao.
Eric Manitrisa