Tsy any amin’ny faritra Sava ihany, fa mirongatra ihany koa amin’izao ny halatra lavanila manta any amin’ny distrikan’i Manakara. Afak’omaly, mpanangom-bokatra iray no saron’ny mpitandro filaminana nahatratrarana lavanila maitso 20 kg mahery, tao amin’ny fokontany Vangaindrano kely, Manakarabe. Rehefa vita ny fanadihadiana, dia nodorana imasom-bahoaka avy hatrany ireo lavanila tra-tehaka. Manoloana ny fandikan-dalàna misy mahazo laka manimba ny vokatra lavanila any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany, dia hentitra ny eo anivon’ny Prefektiora sy ny avy ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny varotra ary ny mpitandro filaminana, fa izay mpijirika tratra dia iharan’ny sazy henjana avy hatrany, hoy ny tati-baovao voaray. Marihina fa noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy amin’olona tsara sitrapo no nahazoana izao vokatra izao, hoy ny Kaomiseran’ny polisy any an-toerana.
Eric Manitrisa