- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Mpandraharaha novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Manakara : Mpandraharaha novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Nisehoana fanafihan-jiolahy tany Lokomby- Manakara, ny alin’ny 2 febroary hifoha ny 3 febroary. Mpandraharaha iray no novonoina tamin’ny fomba feno  habibiana. Novelesina tamin’ny « barre à pince », nokapaina tamin’ny famaky, nendahina ny hodi-tanany sy ny tongony avy eo notifirina tamin’ny basy. Tsy vitan’izany, fa notifirina ihany koa ny vadiny ary dia mbola tsaboina amin’izao fotoana izao. Ny zanany lahy koa notifirina teo amin’ny tongony roa. Taorian’izany, lasan’ireo mpandroba ny vola 40 tapitrisa ariary. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa, amin’izao fotoana izao dia olona fito no voarohirohy amin’ity zavatra ity. Ankoatr’azy ireo, misy telo hafa mbola karohina. Amin’ireo fito ireo dia olona mpiasa tao an-trano ny iray ary olona telo hafa sy mpandrahaha iray ary mpanera amin’ny taxi-brousse no anisan’ny iantefan’ny ahiahy tamin’ity vono olona ity. Tamin’ny nahatrarana an’ireo mpiasa tao an-trano sy ilay mpanera no nahafahana nisambotra ireo voarohirohy ambiny. Nitantara ny fizotran’ny fanafihana tamin’ny antsipiriany izy ireo, hoy hatrany ny vaovao nampitaina taminay. Taorian’izany no nahafantarana fa, nisy hatramin’ny valo ireo mpandroba io alina io nitondra basim-borona sy basy mahery vaika toy ny kalach. Rehefa tonga nizaha ny zava- nisy ny mpitandro filaminana tany an-toerana, hoy hatrany ny vaovao voaray, dia nahita tranona balan’ny kalach misy ny soratra rehetra ahafantarana ny niaviany. Araka ny vaovao nampitain’ny fianakavian’ny maty taty amin’ny gazety, miandry ny hiakaran’ny raharaha eny amin’ny fitsarana ry zareo amin’izao fotoana izao. Manambara ny fianakaviana fa matoky ny fanadihadiana ataon’ny zandary sy ny fikarohana ny marina amin’ity zavatra ity. Etsy andaniny anefa, nilaza ry zareo fa mbola misy ihany ny fandrahonana etsy sy eroa mianjady amin’izy ireo.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser