Teratany sinoa iray, izay fantatra fa mpandraharaha any Beraketa, distrikan’i Vohipeno, no voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao Manakara, ny alatsinainy lasa teo. Raha ny loharanom-baovao azo dia nahatratrana lavanilina tsy ara-dalàna, milanja eo amin’ny 55kg eo tany amin’ity teratany sinoa ity. Hita tany aminy ihany koa, nandritra ny fisavàna natao azy, ny rongony 325g, niaraka tamina fitaovam-piadiana sy bala miisa 11. Raha ny tatitra nataon’ny zandary dia saika hizotra ho any Vohipeno ity teratany vahiny ity io voasavan’ny mpitandro filaminana natao « barrage routier » io. Rehefa hita fa nampiahiahy ny fihetsik’ity lehilahy ity dia niroso tamin’ny fisavàna ny fiara tsy mataho-dalana nentiny ny mpitandro filaminana ka tamin’izany no nahatratrarana an’io fitaovam-piadiana sy zava-mahadomelina ary lavanilina tsy ara-dalàna ireo. Notazomina avy hatrany tao Manakara ity lehilahy sinoa ity niaraka tamin’ny mpamiliny. Nogiazana kosa ilay fiara tsy mataho-dalana nentiny. Ary efa miroso amin’ny fanadihadiana ny zandary amin’izao fotoana izao.
m.L