- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Mpianatra nihetsika ambalavelona, manaikitra sady mamono

Manakara : Mpianatra nihetsika ambalavelona, manaikitra sady mamono

Nahazo laka tato ho ato ity ambalavelona ity. Ny zoma maraina teo, tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any, tao Manakara, dia tovovavy iray mpianatra 15 taona eo, izay hamonjy ny fianarany nandeha posy no nihetsika aretina hafahafa voalaza fa ambalavelona, teny ambony “cyclo-pousse” nitondra azy. Taitra ireo nanatri-maso ny zava-nisy raha nahita an’ity tovovavy ity nitabataba ary nihinjitrinjitra avy teo, ary niridana toy ny olona adala romotra ireny taorian’izay, ka sady nanaikitra mihinana ny tenany izy no namono an’ireo olona nisambotra nibeda azy. Raha ity trangan’ambalavelona ity no asian-teny, dia sekolim-panjakana  valo amina faritra 3 no efa nahitana an’ity aretina hafahafa tsy mbola nahitana fanafana tanteraka ity hatramin’izao, ka ankizy mahery ny zato no efa voa, raha ny fampitam-baovao avy ao amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.Tany Morondava, ohatra, ankizivavy 25 no efa tratra ka mbola lazoin’ny aretina, mpianatry ny EPP miala sakana kilasy faha-4 sy faha-5 no ankamaroan’ireo marary. Mbola mitana ny sain’ny maro ankehitriny, ny fisian’ny aretina hafahafa mampijaly mpianatra ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Manandona Distrikan’Antsirabe II. Betsaka amin’ireo tratry ny ambalavelona no voatery miato amin’ny fianarany. Manoloana ny tranga misy, dia sahiran-tsaina ny ray aman-dreny niteraka, satria sady lany vola amin’ny fitsaboana no manahy mafy amin’ny hoavin-janany. Noho ny fiparitahan’ity ambalavelona ity ihany koa, dia misy amin’ireo mpianatra no tsy sahy mamonjy sekoly intsony matahotra ny hifindran’ aretin-devoly.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici