Tovolahy 23 taona, mpividy lavanila no maty nisy namono tao amin’ny fokontany Lalinovy, kaominina ambanivohitra Tataho, any amin’ny distrikan’i Manakara ny 18 aogositra tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Araka ny loharanom-baovao avy tamin’ny polisim-pirenena, dia ny lehilahy iray, 21 taona, izay nametrahan’ity niharam-boina fitokisana hitady lavanila ihany no nivadika ka nitaona ny namany roa lahy hafa hanatanteraka izao famonoana izao. Ny alatsinainy 17 aogositra 2020 dia efa nanomana ny paikady ilay mpamadika sy ireo namany roa lahy ka nanapa-kevitra fa homena « echantillon vanille » tsara ny « patron » (ilay mpividy io), ary lazaina fa misy 23 kilao any izay mbola any Ambanivolo. Nidina tany Ambanivolo hividy ilay lavanila tokoa ary ilay « patron » sy ny naman’ity farany ity iray, miaraka amin’ilay olona natokisana fa mahita ny entana. Efa niandry azy ireo tany anaty ala anefa ny roa lahy hamono ; izay efa nitondra kaboda sy antsy goro. Vao nigadona tany anefa ireo olona hividy lavanila, dia novonoina sy norobaina ny vola mitentina 3 200 000 eo ho eo, izay nentin’izy ireo. Maty teo no ho eo moa ilay mpandraharaha, fa ilay namany kosa afaka nanavotr’aina ka ity farany no nahafahana nikaroka ireo olon-dratsy izay lasa nandositra tao aorian’ny asa-ratsiny. Rehefa natao ny fikarohana, dia tratra avokoa izy telo lahy ireo, ny 20 sy 21 aogositra 2020 ary samy niaiky ny heloka vitany. Natolotra ny fampanoavana omaly ity raharaha ity.
T.M.