- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Mpizaika FLM 4 maty, 32 naratra mafy vokatry ny loza...

Manakara : Mpizaika FLM 4 maty, 32 naratra mafy vokatry ny loza samihafa

Faly sahirana ny fianakaviam-ben’ny Fiangonana Loterana Malagasy. Olona efatra no namoy ny ainy ary 32 kosa naratra mafy vokatry ny loza samihafa raha nikasa ny hamonjy ny zaikaben’ny fikambanam-behivavy tany Manakara. Niharan’ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena faha 12, teo Analavory Manakara ny fiara mitondra ny marika « sprinter » iray izay nitondra mpizaika miisa 36 ny alarobia maraina tokony tamin’ny valo ora maraina. Teo amin’ny fiolahana, raha nikasa ny hiala ny lavaka ny mpamily dia avy hatrany dia nidofotra tamin’ny sisin’ny lalana. Mafy dia mafy ny dona ary saika nitondra takaitra avokoa ny mpandeha rehetra satria zaza roa no namoy ny ainy, ary ny 32 dia naratra avokoa. Fantatra fa ny 7 amin’ireo naratra dia tena voa mafy ary tsy maintsy nampiakarina tany amin’ny hôpitalin’ny Fianarantsoa raha toa ka ireo naratra ambony dia nentina any amin’ny hôpitaliben’Ifandina. Mpizaika lehilahy avy ao amin’ny fiangonana FJKM sy ny avy ao amin’ny prefektioran’i Manakara no tonga teny an-toerana nifame tanana indrindra tamin’ny fitaomana ny niaram-boina tany amin’ny hopitaly. Noraisin’ny fitondram-panjakana an-tanana ny fihantohana ny fitsaboana ankapeny ireo naratra. Ny zandary kosa no tonga teny an-toerana nanao ny fanadihadihana. Ankoatra io lozam-pifamoivoizana io dia vadina pasitora FLM iray avy any amin’iny faritra avaratry ny nosy iny no namoy ny ainy teny an-dalana ho any Manakara. Voalaza manana olana eo amin’ny resaka tosi-drà ramatoa ka izay no nahafaty azy teo Mampikony. Tsy vitan’izay fa mbola nisy koa mpizaika iray hafa, adolantsento, namoy ny ainy rehefa tonga tany Manakara. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy fa araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra dia antony ara-pahasalamana no nitondra azy amin’izao fahafatesana izao.

Voarisoa Davidson

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici