Volabe no saika nalainy tao amin’ny banky iray tao an-toerana. Izany dia avy amin’ny fampiasana taratasy hosoka sy ody gasy entina handraikirekena. Ary dia tena resy lahatra tokoa ity ramatoa mpisoloky ity hahazo ny volabe 44 tapitrisa ariary tao amin’ny banky, araka ny sora-bola tao anaty taratasy sandoka nampiasainy. Mailo avy hatrany ny mpiasan’ny banky nandray azy, satria hita teo fa tsy mitombina ny atontan-taratasy nampiasainy. Nofitahina ilay ramatoa fa angonina vetivety ny vola, kanefa ny niantso ny polisy ao an-toerana no nataon’ny banky. Noraisim-potsiny teo ilay ramatoa rehefa tonga ny mpitandro ny filaminana. Nandritra ny fisavàna ny entany no nahitàna ireo karazan’ody nampiasainy ary nomarihany nandritra ny fanadihadiana fa entiny handraikirekena izany. Vesatra roa avy hatrany izany no anenjehana ity ramatoa ity. Ankoatra ny fampiasana hosoka dia eo koa ny fitazomana sy fampiasàna ody gasy izay raràn’ny lalàna manan-kery. Nidoboka am-ponja izy rehefa natolotra ny fampanoavana tao an-toerana
D.R