- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManakara : Novonoiny ny zanany dia nananton-tena izy

Manakara : Novonoiny ny zanany dia nananton-tena izy

Nokapainy tamin’ny famaky ny tendan-janany. Avy eo izy nody, ary nananton-tena. Tany amn’ny fokontany antsoina hoe Vinanintelo, ao Manakara, no nitranga izany. Raha araka ny fitantaran’ny olona dia vao avy niady tamin’ny vadiny izy ny omalin’io tranga io. Nisaraka izy roa ary niala tao an-tokantranony ilay ramatoa. Rangahy sy ny zanany sisa izany no tavela tao. Ilay zazakely vao dimy taona, zanak’izy roa, dia nanapa-kevitra ny niala moramora tao an-trano raha vao maraina ny andro. Tsikaritr’ilay dadany izany ary narahiny moramora. Rehefa teny amin’ny toerana mangingina dia nosamboriny ary notapahiny tamin’ny famaky ny tendany. Rehefa maty izany dia niverina tao an-tranony izy ary nananton-tena. Izy efa maty no hitan’ny zandary rehefa natao ny fidinana ifotony teny an-toerana. Nampihoron-koditra ny maro ny zava-niseho satria tao anatin’ny fotoana fohy dia olona roa no hita faty, indrindra koa mpianaka. Mazava ho azy fa samy tezitra tamin’ilay raim-pianakaviana avokoa ny olona naharaka ilay raharaha. Etsy ankilan’izany, tsikaritra fa mirongatra ny heloka bevava avy amin’ny olana ara-pitiavana toy izao, na izany eto an-drenivohitra na any amin’ny toerana misintaka lavitra. Vao tamin’ny herinadro teo koa no nisy zava-nisy izay tsy mifanalavitra amin’izao ny fisehony. Tetsy Ampandrana, raha niady ny mpivady dia notsatohan-drangahy antsy mba ho faty ny vadiny. Rehefa vita izany dia ny tenany indray no novonoiny tamin’ilay zava-maranitra ihany. Faty roa no indray hita tao amin’ilay tokantrano dia ny fatin’izy mivady izany. Tany Moramanga indray dia ny reniny no notapahiny loha (jereo lahatsoratra etsy ambony). Azo heverina fa tokony handray andraikitra ny fiaraha-monina rehefa mahatsikaritra toe-javatra hafahafa mety ho tonga any amin’ny famonoana olona mba hialana amin’ny heloka bevava azo sorohina toa ireo nitranga ireo.  

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici