- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversManakara : Rambondanitra nandalo, potika 90% ireo fotodrafitrasa ao an-toerana

Manakara : Rambondanitra nandalo, potika 90% ireo fotodrafitrasa ao an-toerana

Tamin’ny alahady tolakandro lasa teo, tokony ho tamin’ny telo tolak’andro teo, dia nandalovan’ny rambondanitra mahery vaika naharitra eo amin’ny  efapolo minitra eo  ny distrikan’i Manakara, ka kaominina miisa roa, dia Antatao sy Nosy Ala no tena nahitana fahasimbana betsaka.

Betsaka ireo fahasimbana, ka anisan’izany ireo fotodrafitrasa izay simba sivifolo isanjato. Betsaka ihany koa ny mponina tsy manan-kialofana. Simba tanteraka ny voly vary, ny letsy sy ny maro samihafa. Miaina anatin’ny fahasahirana tanteraka ny mponina.

Amin’izao fotoana anoratanay izao, dia mbola ao anatin’ny fanangonana ny antontan’isa  fanaovana ny vinavinan’ny zavatra simba ireo manampahefana sy ireo tatitra samihafa mikasika indrindra ny fanomanana ny fifidianana izay hatao afaka roa andro ny eny ambanivohitra.

Anastase

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici