- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversManakara : Taolam-paty hitan’ny mpanarato

Manakara : Taolam-paty hitan’ny mpanarato

Tao anaty valizy ireo taolam-balo no hita. Valizy miisa roa no hitan’ny mpanjono, vao maraina, tao Manakara. Tao ambanin’ny tetezana ao Manakarabe no nahitàna an’izany. Taitra ireo raha nahita an’izany ka nampiakatra ny valizy teny an-tanety. Rehefa nohamarinina dia taolana marobe no tao anatiny. Nampandrenesina ny zava-nisy ny tompon’andraikitry ny tanàna sy ny mpitandro ny filaminana. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava ny tena anton’ny halatra taolam-paty. Ny antony dia tsy nisy mihitsy ny fanadihadiana tonga hatramin’ny farany, eny fa na dia efa elabe aza no nisian’ity halatra hafakely ity teto amin’ny firenena. Ao no miteny fa entina hanafenana ny fanondranana volamena izy ireny, satria tsy tanteraky ny fitarafana ny taolana. Ao koa no miteny fa misy akora ilaina hanaovana fikojakojana endrika izy ireny. Ary raha mba mivoaka amin’ny fahanginany amin’izay ny mpikaroka sy ny siantifika ka mba manazava ny mety ho anton’ny halatra taolam-paty?

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser