Tsy eto Andrenivohitra ihany no hitrangana fanendahana arahana famonoana olona fa na any amin’ny faritra koa aza. Ny alahady 21 aogositra lasa teo, vehivavy mananika ny 60 taona iray no niharan’ny fanendahana tamin’ny fomba feno herisatra ka nitarika fahafatesany ho azy, tany Volafotsy, fokontany Vohimasina, Kaominina ambanivohitr’Antsiranana, distrikan’i Manakara. Tsy nisy nahafantatra sy nahita ny zava-nitranga rehetra fa ilay tovolahy nihazakazaka namonjy ny biraon’ny zandary tao Ampasimanjeva no nahamahana ny olona. Marihina fa tsy nilaza na inona na inona ity farany rehefa tonga teny fa ny fihetsiny mailo sy kaody no nahafantarana fa avy nanao ratsy izy. Noezahina notazonina tao io tovolahy io, ka ny talata 23 aogositra teo izy vao niloa-bava fa avy namono olona tanaty kirihitr’ala. Nambarany fa nikasa ny hanendaka an’ilay ramatoa izay tsy fantany fotsiny no tao an-tsainy saingy noho ny herisetra nampihariny tamin’io vehivavy io, no nahafaty azy. Nirosoana araka izany ny fikarohana ny razana ka hita ihany ilay vehivavy ny talata 23 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tolakandro. Efa natolotra ny fianakaviany ny razana fa ilay namono kosa dia efa noentina haingana teny amin’ny Kaompania Manakara mba hisorohana ny mety ho fitsaram-bahoaka. Ny zandary ao Ampasimanjeva no miandraikitra feno ny raharaha.
Niony H.