- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbondrona : Nodarohina teo imason-janany

Ambondrona : Nodarohina teo imason-janany

Olon-tsotra, raim-pianakaviana nandeha hanatitra ny zanany vao maraina no niharan’ny vono sy ratra niniana ny marain’ny alakamisy teo, ary izany dia vavolombelona maro no nahita. “Nisy fiara efa najanon’ny pôlisy mpandrindra fifamoivoizana nefa mbola nandeha ihany. Vokatr’izany dia saika nifatratra tany aminay mianaka, ary noho ny hatezerako dia nokapohiko kely ny vatan’ilay fiara mba hahatonga saina ny mpamily. Tsy nisy tohiny izany rehefa nifanazava kely teo izahay” raha araka ny fanazavan’ity raim-pianakaviana izay voatery naiditra hopitaly noho ny ratra nanjo azy. Ny nahagaga anefa, raha araka ny fanazavany hatrany, dia fiara iray taoriana indray no nanao avo vava ary nanompa sy nihantsy ady. Ary tena notontosainy tokoa izany satria raha vao nahita toerana nametrahana ny fiarany ilay lehilahy dia avy hatrany dia nanenjika sy nidaroka ilay raim-pianakaviana. Nivonto tanteraka ny tarehiny ary nisy fahatapahana ny hatony. Mbola niampy taim-bava izany ary nilaza izy fa tsy matahotra na iza na iza, azo raisina ny laharan’ny fiara sns. Nipetraka omaly ao amin’ny kaomisaria foibe ao Tsaralalàna ny fitoriana io olona “mafy  be” io noho ny vono sy ratra niniana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici